Miverina tsikelikely ny oram-pahavaratra saika manerana ny Nosy, raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Any Sofia, Boeny ary Melaky dia hisy ny sisan-drahona mitondra orana. Miitatra hatraty afovoan-tany izany, indrindra ny alina izay ho avy matetika ihany koa ny orana.
Efa nisantatra izany ny teto afovoan-tany ny alin’ny alahady voalohan’ny taona, izay nikija tanatin’ny alina manontolo ny orana narahin-kotroka sy havandra tamin’ny toerana sasantsasany.
Mampatahotra ny fivatravatrany ary voatery nijanona mihitsy ireo fiara nandeha teny amin’ny Rocade sy ny lalam-baovao noho ny fiavian’ny orana izay niteraka tsy fahitana lalana.
Hitohy ao anatin’ny telo andro misesy ny oram-baratra raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro ka mila miomana amin’izany ireo tsy maintsy hivoaka ny trano, indrindra ireo miasa amin’ny alina. Any avaratra andrefana no tena ho avy be ny orana hatramin’ny alarobia.
Hanodidina ny 16 ka hatramin’ny 25°C kosa ny maripana ho an’ny faritra anatiny. Tafakatra hatrany amin’ny 34°C izany any atsimon’ny Nosy.
Tatiana A