Namearison Robert : “Tsy fisehose­hoana ny fambolen-kazo”

“Ny fambolen-kazo ataon­tsika hatramin’izay, toy ny hoe fisehosehoana fotsiny. Ny hazo maty no be­tsaka indrindra noho ny hazo velona. Manolo-kevitra izahay hoe: aoka izay ny fisehosehoana sy ny fizahozahoana”, hoy ny filoha nasiona­lin’ny KMF/Cnoe Fana­beaza­­na olom-pirenena, i Na­mearison Robert.
Aoka mba ho fambolen-kazona tompon’andraikitra no atao. Homena andraikitra ny firaisamonina ifotony manao ny fambolen-kazo, fa ny fanaraha-maso no anjaran’ny fitondram-panjakana. Manao fepetra fanentanana sy fampirisihana amin’izay fambolen-kazo izay koa ny fitondram-panjakana: mikarakara fifaninanana, ohatra, firaisamonina ifotony na fokontany amin’izay mahavoly hazo sy mahavelona hazo be indrindra. “Izay no tokony hatao”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: