Anisan’ny ampandrosoana ny toekarena any amin’ny faritra Atsimo, Madagasikara amin’ny ankapobeny mihitsy ny fisian’ny seranan-tsambo Ehoala, any Taolagnaro. Seranan-tsambo goavana io mampiseho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rio Tinto, mpitrandraka fasimainty sy ny seranana ao Ehoala. Misy ihany koa ny andraikitry ny APMF (1) sy ny tetikasa PIC (2) 400 ha ny velarana ao Ehoala, anisan’ny seranan-tsambo lehibe aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ivoaran’ny toekarena noho ny fandalovan’ireo sambo vahiny, eo koa ireo sambo mpitondra mpizahatany maro
Anisan’ny manana ny mampiavaka azy ny seranan-tsambo Ehoala, ka tokony jerena izay fomba rehetra handraisana vahiny amin’izany. 10 minitra avy eo amin’ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro ny misy azy, ka mifameno tsara ny seranana roa : seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo. Afaka mifaninana tsara ireo seranan-tsambo manodidina misy any amin’ny faritra Atsimo hatrany Toliara. Ampirisihana ihany koa ireo mpandraharaha hampiasa vola eny an-toerana.
Ndrina
APMF (1) : Agence Portuaire, Maritime et Fluviale de Madagascar
PIC (2) : Pôles Intégrés de Croissance