Hifantoka amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny “Slam” i Abdoul Anlim Abdillah na Hichim. Fifaninanana izay hotanterahina ny 15 mey hatramin’ny 20 mey 2023 any Paris. “Tsy hijery izay ho mpifaninana amiko aho, fa ny tsara indrindra avy amiko no omeko, ho voninahitr’i Madagasikara sy ny Slam malagasy”, hoy i Hichim, solontenan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny Slam.
Samy haneho ny asa sorany, amin’ny fitenim-pireneny avy ny mpifaninana tsirairay. Amin’ny teny malagasy, araka izany, no hanehoan’i Hichim ny anjarany amin’ny maha solontenan’i Madagasikara azy, na dia teratany kaomorianina aza izy. Manana hatramin’ny 15 janoary 2023 ity solontenantsika ity handefasana ny asa sorany any amin’ny mpikarakara, entiny mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany.
Lin (Mpianatra asa)