Taom-baovao : maro ireo vehivavy very poketra tany am-piangonana

Maro ireo renim-pianakaviana sy tovovavy nitaraina ho very poketra tany am-piangonana nandritra ny fotoam-pivavahana ny fiandohan’ny taona vaovao ny alahady 01 janoary 2023 teo. Ireo fiangonana lehibe teto an-drenivohitra no tena nahazoana fitarainana sy tatitra manokana momba izany. Nandritra ny fotoana fanatazana ny rakitra sy fandraisana sakramentana no tena nanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Lasa manatitra ireo renim-pianakaviana kanjo nony efa miverina, tsy eo amin’ny toerany intsony ny poketra. Eo vao mikoropaka manotany ny olona eo akaikiny saingy tsy fantatra hoe iza no maka azy. Rehefa fotoan-dehibe sy miavaka toy ireny vao saika miditra am-piangonana avokoa ny ankamaroan’ny olona. Tsy hay intsony ny manavaka ny tsara sy ny ratsy satria miditra am-piangonana avokoa hatramin’ny jiolahy. Efa misy ihany anefa ireo mpiambina sivily sy mpitandro filaminana misahana ny fiambenana amin’ireny fiangonana ireny saingy mijanona eny ivelan’ny fiangonana fotsiny izy ireny fa tsy afaka miditra any anaty fiangonana. Tsy misy afa-tsy ny fahamailoana ihany satria efa tafiditra any am-piangonana hatramin’ny jiolahy.

J.C

Partager sur: