Taona vaovao 2023, manantena fiainana tsara kokoa sy hiaina anaty filaminana ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana. Mba hahafahana miatrika am-pifaliana sy am-pitoniana ny asa, ny adidy ary ny andraikitry ny tsirairay. Fa irin’ny olona koa ny mba hisian’ny fivoaram-piainana sy fahasalamana ary fahombiazana eo anivon’ny tokantranony tsirairay avy. “Apetraka dieny ety am-piandohan’ny taona ny tanjona tiana hotratrarina, hialana ny fahazaran-dratsy niteraka korontana sy tsy fahombiazana tamin’iny taona iny”, hoy i Voahirana. “Mila ezaka avy amin’ny tsirairay, fiaraha-miasa eo amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina izany raha tiana ho azo”, hoy i Heriniaina.
Andro tsy hiasana
Misy 365 andro ity taona vaovao 2023 ity ary 52 herinandro. Mahatratra 12 isa ny andro tsy hiasana fa andraisan-karama, ka mitontona andavanandro avokoa. 08 marsa, andro alarobia, andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Fotoana tsy hiasan’ny andriambavilanitra. Manaraka, ny 29 marsa, andro talata, ahatsiarovana ireo maherifo nitolona tamin’ny 1947. Alatsinain’ny Paska, ny 10 avrily. Manaraka eo, ny 21 avrily, “Id Al Fitr”, andro zoma ho an’ny mpino silamo. Fetin’ny mpiasa, andro alatsinainy, voalohan’ny volana mey. 18 mey, andro alakamisy, ankalazana ny niakaran’ ny Tompo any an-danitra. Alatsinain’ny Pantekoty, 29 mey. Ny fetim- pirenena 26 jona, andro alatsinainy. 28 jona, andro talata famaranana ny ramadany na “Id Al Adda”, Id be, ho an’ny mpino silamo. 15 aogositra, andro talata, ankalazana ny niakaran’ny Masina Maria any an-danitra, indrindra ny finoana katolika. Ankalazana ny fetin’ny Olomasina, andro alarobia, voalohan’ny volana novambra. Farany, ny 25 desambra, fetin’ny Noely tafiditra andro alatsinainy. Ny dimy amin’ireo manaraka ny faran’ny herinandro.
Mino ( Mpianatra asa)