Hivoaka tsy ho ela ny boky « Toe-tsaina mpandraharaha » nosoratan’Andrianomenjanahary Fameno Antenaina na Nel Cael. Boky 80 pejy, hanentanana ny tanora hiroso amin’ny famoronana asa. Maneho momba ny toe-tsain’ny mpandraharaha mahomby. “Hamoha sy hanaitra ilay mpandraharaha ao anatin’ny tsirairay mba hahay hamorona asa sy handraharaha eto amin’ny firenena ary hambolena toe-tsaina vaovao ny tanjona”, araka ny nambaran’i Nel Cael. Nohamafisiny fa “ny firenena mandroso, betsaka mpandraharaha ary izany dia antoka iray hanafoanana ny tsy fisian’ny asa, izay hialana amin’ny fahantrana”.
“Aza lany andro mitady asa etsy sy eroa fa mahaiza mamorona. Izany ny antony hamoahana ity boky ity hanampiana ny rehetra hiroso amin’ny asa hialana amin’ny fahantrana sy mba tsy ho vesatry hafa. Satriko raha mpandraharaha daholo ny tanora malagasy” hoy hatrany i Nel Cael. Tsy hijanona eo fa mitohy hatrany ny hetsika ho fampandrosoana ny maha olona sy ny firenena raha ho an’i Nel Cael.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto