Campus ao Barikadimy : hanomboka anio ny fanamboarana

Ny 22 desambra lasa teo ny fanambarana  avy tamin’ny  “service des œuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Bari­kadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka fa hisy fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa toy ny trano fonenana misy fahasimbana noho ny fahanterana sy vokatry ny fandorana nataon’ny mpianatra mitokona. Anisan’izany ilay trano vao­vao misy rihana telo mbo­la tsy nozaraina kanefa kilan’ny afo ny taona 2021. Noha­mafisin’ny tomponandraikitra fa betsaka ihany koa ireo olona efa tsy tokony hisitraka trano mbola monina anivon’ny “Campus” ka mahatonga tsy filaminana. Voalaza fa nanomboka ny 23 desambra teo no tokony hiala ireo mpianatra ahafahana manao ny fanarenana izay nifarana omaly. Tao anatin’izay, efa maro ny “fiche des logements” namidy tamin’ireo mpianatra ahafahany mangataka ny tranon’ny mpianatra amin’ny fiverenany. Tsy marina ny feo ahely fa tsy ho tafaverina amin’ny trano intsony ireo noesorina. Mahazo efitrano avokoa amin’ny fiverenany izay mahafeno fepetra rehetra. Fanapahan-kevitra ni­raisan’ny mpianatra sy ny mpam­pianatra ary ny mpandraharaha eo anivon’ny oniversite Barikadimy izao. Ha­nomboka anio ny fanarenana ireo fahasimbana ka tsy tokony hisy mpianatra intsony ao Barikadimy, hoy ny nambaran’ ny talen’ny «œuvres de l’Université de Toamasina», Randrialahamady Solo. Hatao isan-taona amin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra aorian’ny fahavitan’ny taom-pianarana ny fanarenana toy izao.

Sajo

Partager sur: