Covid-19: namono olona roa tanatin’ny herinandro

Mbola misy olona 67 ma­rarin’ny Covid-19 eto Mada­gasikara, raha ny salanisa na­voakan’ny minisiteran’ny Fa­hasalamam-bahoaka, ny alatsinainy teo. Olona roa no namoy ny ainy ary olona roa hafa mbola marary mafy miady amin’ny fahafatesana.
Tao anatin’ny herinandron’ny 24 ka hatramin’ny 30 desambra dia olona 15 vaovao no nahitana ny tsimokaretina coronavirus. Olona 381 no nanaovana fitiliana ka nahitana an’io 15 mitondra ny tsimokaretina io.
Eto Analamanga ny valo amin’ireo mitondra tsimokaretina ireo. Any Matsiatra Am­bony sy Diana kosa ny enina ary any Atsinanana ny iray.
Mitontaly 67.750 ny olona voaporofo fa nitondra ny tsimokaretina tao anatin’izay telo taona nisian’ny valan’aretina Covid19 izay. Nahatratra 1.418 kosa ireo namoy ny ainy (2,09%) Nivaivay ny aretina tamin’ny taona 2020 sy 2021 izay namoizana ain’olona maro. Ireo maty teny anivon’ny fiarahamonina tsy nandalo tobim-pahasalamana tsy tafiditra anatin’ny fanisana ka dia saika isan’andro ny fahafatesana tamin’izany.
Mamely ny valan’aretina samihafa ao anatin’izao va­nim-potoan’ny mafana sy orana izao ka anisan’izany ny Covid-19. Mila mitandrina hatrany amin’ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fampiakarana ny hery fiarovana, indrindra amin’izao vanim-potoana fifampiarahabana tratry ny taona izao.

Tatiana A

 

Partager sur: