Filohan’ny FJKM : “Hitsilo ny diantsika ny hafatra feno fahendrena…”

Nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina koa ny eo an­ivon’ny FJKM, amin’ny ala­lan’ny filohany, ny mpitandrina An­­driamahazosoa Irako Am­mi, amin’izao taona vaovao izao.
“Misaora ny Tompo ry fanahiko. Miarahaba antsika mba ho feno ny fahasoavan’ Andriamanitra. Homba antsika ary hitsilo ny diantsika amin’ity taona ity ny hafatra feno fahendrena avy amin’ny tenin’Andriamanitra”, hoy izy. Ankino amin’Izy Andriamanitra ny lalana ary matokia azy fa ataony tanteraka, araka ny nambarany hatrany. I Jesoa Kristy no ivon’ny fiainanao. Ny fifaliana hogohanao amin’ity taona ity anie hifampizarana Aminy. “Ny zava-tsarotra holalovanao amin’ity taona ity ho lakolosy hiantso anao hotonga amin’ny finoana amin’i Jesoa sy ifikaranao aminy”, hoy ihany izy. Nanteriny ny tokony hanankinana amin’izy Andriamanitra ny lalana ary ny fitokiana Azy fa ataony tanteraka izany.
Tsiahivina fa ho entina am-bavaka eny amin’ny Co­li­seum Antsonjombe, ny alahady 15 janoary izao, ny taom-piasana 2023 sy ny filohan’ny FJKM, mianakavy.
Iantsoana sy anentanana ny mpitandrina sy ny kristianina rehetra izany mba ho tonga hidera sy hankalaza an’ Andriamanitra.
Efa voaomana ny toeran’ny isaky ny synodam-paritany
Hanomboka amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina ny asa sy fampaherezana iarahana amin’ny mpiandry. Hi­to­hy amin’ny fanompoam-pivavahana izany avy eo.
Nambaran’ny eo anivon’ny foibe FJKM fa hihidy avokoa ny fiangonana amin’ny Synodam-paritany (SP) efatra eto Antananarivo, ahitana ny SP10; SP11; SP12; SP 19. Efa voamoana ny toerana manokana ho an’ny isaky ny SP ary hitondra sora-baventy ny isam-piangonana amin’izany.
Nentanina koa mba hanao fanamiana ny sampana rehetra ary miara-mipetraka amin’ny SP misy azy ihany. Mitondra famantarana manokana “Badge” ny mpitandrina rehetra ahafahan’izy ireo mihazo ny toerana voatokana ho an’ izy ireo sy ny vadiny avy.

Synèse R.

Partager sur: