Efa nivoaka ny tetiandro fandraisana ny fisotroan-drononon’ireo zokiolona misitraka izany ho amin’ity volana janoary ity.Voakasiky ny tetiandro ireo mandray eny amin’ny Perceptions Principales, ny Trésorerie Municipale d’Antananarivo (TMA) ny Trésorerie ministérielle chargée de la fonction publique (TMINFOP) ary ny trésorerie principale inter-communale (TPIC).
Hanomboka handray ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona manana ny laharana miafara amin’ny 0, 1, 2 ny talata 10 janoary izao. Mitohy izany ny alarobia 11 janoary ho an’ny laharana 3, 4, 5. Manaraka ny alakamisy 12 janoary ho an’ny laharana miafara amin’ny 6, 7, 8 ary 9. Mamarana azy amin’ny faran’ny herinandro ,ny zoma 13 janoary kosa, ny laharana miafara amin’ny A, B, C, D ary E. Ny alatsinainy 16 janoary kosa no anjaran’ireo olona mitondra procuration.
Ho an’ireo mandray eny amin’ny Paierie générale d’Antananarivo (PGA) sy ny Recette générale d’Antananarivo (RGA), eny Antaninarenina kosa dia hanomboka amin’ny talata 10 janoary ny fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ny laharana miafara amin’ny 0 ka hatramin’ny 4. Mitohy ny alarobia 11 janoary izany ho an’ny laharana miafara amin’ny 5 ka hatramin’ny 9. Ny laharana miafara amin’ny Aka hatramin’ny E no mahazo ny anjarany, ny alakamisy 12 janoary. Ny zoma 13 janoary no anjaran’ireo miotondra procuration.
Nanamarika ny tahirimbolam-panjakana fa tsy miova ny fitsinjarana laharana ho an’ny faritra hafa saingy ny daty no hiovaka arakaraky ny fahatongavan’ny vola any an-toerana.
Tatiana A