Halatra solika: roalahy tratra nangalatra 16 “jerricans”

Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha halatra solika an’ireo teratany sinoa mpanamboatra ny lalam-pirenena (RN5) mampitohy an’i Toamasina sy Ma­ro­antsetra.

Voasambotra ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, ireo roalahy voatondro ho nanao ny asa ratsy. Tratra teny amin’ny fokontany Ambi­na­ny, kaominina Marimbona , distrikan’i Soanierana Ivongo izy roa lahy. Mbola sarona tany amin’ireo mpangalatra ihany koa ny “jerricans” miisa 16 nisy solika, sahabo ho 250 litatra. “Tratra teo am-pamatrarana azy teo ambony kalesa izy roalahy tamin’io fotoana io. Olona avy eto an-toerana ihany ireo mpangalatra”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana.

Tsy miasa irery izy roalahy fa alainy any amin’ireo mpanao lalana ireo solika ireo. Avy eo amidy eny amin’ny sisin-dalana. Araka izany, tsy maintsy misy miray tendro amin’izy roalahy ny mpia­san’ireo teratany sinoa mpanao lalana. Hatreto anefa tsy mbola nanonona ny anaran’ ireo mpiray petsapetsa aminy ireto mpangalatra tratra.

Henintsoa Hani

Partager sur: