Jly Rakotonirina Richard : «Mijoro ho tandroka aron’ny vozona hatrany ny Tafika Malagasy»

“Anjara andraikitra goavana andrasan’ny firenena amin’ny Foloalindahy amin’ ny fitandroana ny filaminana sy fanajana ny lalàm-panorenana amin’ny maha taona miavaka ity taona 2023 ity , noho izy taom-pifidianana”: hoy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN), omaly, teny Ampahibe, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona vaovao 2023. Nohamafisiny fa manana andraikitra lehibe ao anatin’izany ny tafika, indrindra amin’ny fitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fanatanterahana ny fifidianana. “Mijoro ho tandroka aron’ny vozona ny Tafika Malagasy”, hoy izy. Hotohizana ny ezaka tsara rehetra efa vita ka ani­san’izany ny fahazoan’ny Fo­lo­alindahy helikoptera H130, hampiasain’ny Tafika an’habakabaka amin’ny fanatanterahana ny asa sy ho fiarovana ary famonjena ireo mpiray tanindrazana. Betsaka ny zavatra atrehina amin’ity taona vaovao 2023 ity. Maro, araka izany, ny ezaka tokony,hatao satria mila miroso hatrany amin’ny fanatsarana ny Foloalindahy sy ny fahaiza-manaony ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Naneho ny fiaraha-miory amin’ny fi­an­gonana Katolika, noho ny fahalasan’ny Papa Benoît XVI teny amin’ny Nonciature Apo­s­­tolique Ivandry, koa ny MDN. Nandray azy nandritra izany ny Mgr Tomasz Grysa – Non­ce Apostolique vaovao eto Madagasikara. “Miombom-po amin’ny mpino katolika maneran-tany sy eto Madagasikara ny tenako ary mitondra ny teny fankaherezana ho azy ireo amin’izao fahoriana izao”, hoy izy.

Jean Claude

Partager sur: