Ho fanomanan’ny AC Sab-Nam, ny “Play-off” amin’ ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja baolina kitra vehivavy, hisy lalao iraisam-pirenena, hatrehin’izy ireo. Hifandona amin’ny «Rovers Mont-Fleury FC» avy atsy Seychelles, izy ireo, ny zoma 6 janoary ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Manana ny toerany ity ekipan’i Seychelles ity, satria mitana ny laharana faharoa eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’izy ireo. Nitana ny laharana voalohany kosa nandritra ny dingana faharoa, natao tany Antsirabe, ny 17 desambra lasa teo, ny AC Sab-Nam. Hisy lalao miverina ihany koa ity lalao tsapa ity ka eto ihany ny hanatontosana izany, ny alakamisy 12 janoary ho avy izao. Fiaraha-miasan’ny kaominina Sabotsy Namehana, tarihin’ny Ben’ny Tanàna, i Avotraina Andriamosa sy ny fikambanana Mpikitra ary ny klioban’ny Rovers Mont-Fleury, ny nahafahana nanatontosa izao fihaonana, izao.
Tsiahivina fa ekipa efatra no hiatrika ny «Play-offs» dia ny AC Sab-Nam sy ny Disciples FF Vakinankaratra, ny Ascuf Matsiatra Ambony ary ny Mifa Analamanga.
Torcelin