Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: mitokona ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH

Hitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana ny fikirakirana ny lafiny maha olona (DRH), eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mankasitraka ny fanalana ny taleny izy ireo.

Nanomboka omaly, mitokona mandritry ny fo­toana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana misahana ny fikirakirana ny lafiny maha olona na ny DRH, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nilaza izy ireo fa tsy manaiky ny fanalana ny « chef de service de la gestion administratif de personnel ». « Tsy fantatra mazava ny antony nanesorana azy io ka takina ny hamerenana azy eo amin’ny toerany », hoy Rako­to­malala Diamondra, filoha le­fitry ny sendika.
Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, efa nisy ny fitarainana an-tsoratra na­taon’ny mpitokona. Nandefa­sa­na izany ny tomponandraikitra isan’ambaratongany, toy ny sekretera jeneraly sy ny talen’ny kabinetra. Manamafy ny mpitokona fa tsy ara-drariny ny fanesorana ny tale, tsy nanao fahadisoana tao amin’ny sampandraharaha izay notantanany.
Manoloana izany, mitaky ny hanafoanana ny didim-pi­tondrana, nivoaka tamin’ny 14 desambra, manamafy ny fanesorana ilay tale ny sendika. Mitaky ihany koa ny hanafoanana ny fametrahana ilay « cel­lule d’appui », rafitra tsy ao anaty rafitra ihany koa izy ireo. «Aleo hiverina amin’ny sampandraharaha tsirairay avy ny fitantanana ny asany mba ha­hazoana vokatra tsara», hoy hatrany ny mpitarika ny fitokonana.

Fanatsarana
Mba tsy nihainoana feon-dakolosy tokana, nisy ny fakana ny hevitry ny eo anivon’ny minisitera mpiahy. Tsy nisy ny tomponandraikitra afaka nandray teny an-toerana, tamin’ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Nisy ihany anefa ny tomponandraikitra iray, azo an-telefaonina, omaly alina, saingy nangataka ny tsy hotononina anarana noho ny tsy fahazoana alalana manokana niresaka tamin’ny mpanao gazety. Nilaza ny loharanom-baovao fa hisy ny fanatsarana ny fom­ba fiasa eo anivon’ny fitaleavana momba ny fitantanana ny mpiasa, izay no antony. “Tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fametrahana sampandraharaha manokana manerana ny faritra. Mba hikirakirana ireo antontan-taratasy “dossier d’avancement” mihan­tona re­hetra eo anivon’ny fitaleavana daholo izany”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.
Manoloana ny tsy fahafahana mahazo vaovao, raha tsy misy alalana manokana amin’ny rafitra antanan-tohatra, niezaka ny naka ny hevitry ny minisitra, Sahondrarima­la­la Marie Michelle, izay tomponandraikitra voalohany amin’ny departemantany, izahay. Tsy nandray ny antso an-telefaonina natao azy anefa izy, omaly alina.
Marihina, efa nisy ny fi­fampiresahana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany , mi­kasika ny fitakiana. Nanome 72 ora ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny fitaleavan’ny DRH, saingy tsy nisy valin-teny mazava. Nanomboka ny fitokonana. Nilaza ny tsy hiverina hiasa izy ireo raha tsy voavaha ny olana.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: