Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina : « Fanatontosana fomba ara-pinoana… Tsy tokony hisy ny fifanitsahana »

Manoloana ny zava-niseho teny Ambohimanga, ny 29 desambra 2022 teo, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

«Manoloana ny tranga niseho teny amin’ireo doany eny amin’ny Vohitr’ Ambohimanga farany teo ka nanaovan’ny tobim-pifohazana diabem-panafahana dia mahatsiaro ho manana adidy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ka manao izao fanambarana manaraka izao : Araka ny voalazan’ny Lalàm­panorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’ny andininy voalohany sy faharoa dia « laika sy tsy miandany amin’ny fireham-pinoana samihafa ny fitondram-panjakana ». Araka izany, malalaka ny fanehoana sy ny fanatontosana ny fomba ara-pinoana amin’ny endriny samihafa amin’ny fotoana sy ny toerana tokony hanatontosana izany ao anatin’ny fanajana ny filaminam-bahoaka sy ny fahalalahan’ny rehetra haneho ny finoany. Izany rehetra izany anefa dia tokony hatao ao anaty fifanajana sy fifandeferana tanteraka ka tsy tokony hisy fifanitsahana na fifampitsabahana eo amin’ny fanatontosana azy ireo ».

Nomarihin’ity fanambarana ity ihany koa fa : « ireo toerana nalehan’ireo « tobim-pifohazana » dia ny doany eo Ambatondradama, Mangabe ary Ankazomalaza, izay na dia tsy tafiditra ao anatin’ny faritr’Ambohimanga Rova aza dia tafiditra kosa ny roa amin’izy ireo ao anatin’ny antsoina hoe « zone tampon » ka ilana fankatoavana avy amin’ny manam-pahefana eo an-toerana ny miditra sy manao fomba ao anatiny ».
Notsiahivin’ny fanambarana fa « ny fandalana ny fomban-drazana malagasy dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny kolontsaina malagasy. Atao izao fanambarana izao mba ho fampahatsiahivana fa ny fisian’ny fifanajana sy fifandeferana eo amin’ny fanatontosana an-kahalalahana ny fomba ara-pinoana samihafa dia antoky ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena izay hiantohan’ny Lalàmpanorenana ».

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: