Miss University Africa: efa mandeha ny fifaninanana

Ny volana novambra 2022, no efa nanomboka ny fifaninanana tao amin’ny tambajotra sosialy. Tamin’ny alalan’ny fanohanana amin’ny sarin’ny mpifaninana no nisehoan’izany fifaninanana izany. Mandray anjara amin’ny “Miss Univer­sity Africa” i Madagasikara.
Misolo tena ny mpianatra avy amin’ny oniversite eto Madagasikara, amin’izao fifaninanana izao i Andriamoria Harikanto Morgane. Izy izay voafidy hisolo tena an’i Ma­dagasikara nandritra ny fifaninanana “Miss University Afri­ca Madagascar”. Nahatratra 24 ny nifaninana teto Mada­gasikara. Andriamoria Hari­kanto Morgane, nisolo tena ny oniversite ISPM sy INSCAE no lany handimby ny toeran’i Randrianasolo Nancy, izay lany ny taona 2021.
Fifaninanana andraisan’ny Oniversite 20, avy amina firenana 20 avy eto Afrika ny “Miss University Africa”. Vola mitentina 50.000 Dolara no ho azon’izay tafavoaka mpandresy amin’izy ity. Any Lagos, Nigeria no hanatanterahana ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana “Miss University Africa”.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: