Raharaha fakana an-keriny: Olona 155 voasambotra tao anatin’ny herintaona

Mitotaly fito ny trangana fakana an-keriny voarain’ny zandarimaria avy amin’ny vondrom-tobim-paritr’Ime­rina “central” ny taona 2022. Tao anatin’izany, olona miisa 155 voasambotra raha olona miisa enina kosa no tra-tehaka tamina sarintsarina fakana an-keriny. Nihena kosa anefa ity trangana fakana an-keriny ity raha oharina tamin’ny taona 2021. Miisa 15 ny tranga voaray am-pelatananan’ny zandary tamin’izany.

Ankoatra izay, milanja 12 kilao ny taolam-paty saron’ny zandarimaria. Mitotaly 17,208 kilao kosa ireo vato sarobidy tra-tehaka. Tafiditra tamin’izany ny “agathe – quartz rose – béryl – cristal – Gabbro – quartz fumé – Améthyste – triphane». Nilaza hatrany ny zandarimaria avy amin’ny vondrom-tobim-paritr’Imerina “centrale” fa nahatratra 1.260.000Ar ny vola sandoka sarona ny taona 2022. Tratra tao anatin’izany koa ireo masinina miisa dimy fanamboarana izany. Anda­nin’izay, hazo fisaka (planche) avy amin’ny voamboana 12 isa saika aondrana antsokosoko no tra-tehaka. Ao koa ireo hazo miisa 1.435 saika atao trafika ary arina 247 isa. Ankilan’izay, lavanila 444 kilao koa sarona teny amin’ ireo lalam-pirenena. Ao koa ireo toaka gasy voarara 3.825 litatra. Fiara iray sy moto halatra iray koa mbola tratra teny amin’ireo lalam-pirenena mampifandray ny renivohitra sy ny faritra.

Miisa 29 ireo basy tsy ara-dalàna saron’ny zandarimaria tamin’iny taon-dasa iny. Tafiditra amin’izany ny basy mahery vaika sy ny basim-borona ary ireo basy vita gasy maro samihafa.

Henintsoa H.

Partager sur: