Sarimihetsika malagasy: hiverina indray ny “Malok’ila”

Hafaliana no nandraisan’ny mpankafy ity horonantsary ity ny fanambarana nataon’ny orinasa mpamokatra azy, tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra manao hoe “Malok’ila, le grand retour”. Ny talata 3 janoary 2023 no namoahan’ny trano mpamokatra ny fanehoan-kevitra ofisialy, na dia efa nisy aza ny siosion-dresaka nialoha izay. Horonantsary isan’ny nahaliana ny Mala­gasy izy ity ary tafiditra tao anatin’ny horonantsary nanana ny naha izy azy indrindra teto Madagasikara.
Hiverina amin’ny famokarana horonantsary “Malok’ila” indray ny trano mpamokatra izany, rehefa nifantoka tamin’ny famokarana horonantsary hafa taona vitsy lasa izay. Fahombiazana lehibe tokoa ny niainan’ny trano mpamokatra ity horonantsary ity ta­min’ny fanatontosana sy fa­mokarana izany. Ny taona 2014 no nivoaka ny andiany farany, nitondra ny lohateny hoe “Malok’ila 14 Carats”.
Hihomehy hiaraka amin’ny zavatra ataon-dRajao mianakavy sy ry Pasitera indray, araka izany, ny mpankafy sarimihetsika malagasy. Na­nambara ny tompon’andraikitra fa “mbola ho tazana ao avokoa ny mpilalaon’ny tantara, ankoatra ny efa maty”. Miisa efatra ny mpilalao an’ity horonantsary ity no efa maty. Marihina ihany koa fa ao anatin’ny fitadiavana mpilalao vaovao ny trano mpamokatra amin’izao. Mbola tsy fantatra mazava ny daty hi­voahan’ny sarimihetsika. Ny hany azo ambara, efa ao anatin’ny fanomanana ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: