Hivory tsy ho ela ny eo anivon’ny Ceni ary hanolotra ny vinavinan’ny tetiandro ho an’ny fifidianana filoham-pirenena, amin’ity taona ity. Notsiahivin’ny mpitondra teny, Soava Andriamarotafika,
ny voalazan’ny Lalàmpanorenana momba izany.
“Tokony ho eo anelanan’ny 19 novambra hatramin’ny 19 desambra izao ny fifidianana filoham-pirenena raha miainga amin’ny roa volana na ny iray volana, mialoha amin’ny nanaovan’ny filoham-pirenena ny fianianany ny 19 febroary 2019”, hoy izy. Nanteriny anefa fa mbola handinika ny momba izany izy ireo.
Etsy andaniny, efa tafakatra maherin’ny 8 tapitrisa ireo tafiditra anaty lisitry ny mpifidy, araka ny fanisan’ny Ceni amin’ izao fotoana izao, momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. “Manodidina ny 59% izany ny tahan’ny fisoratana anarana amin’ireo 13 tapitrisa mahery. Mbola mitaky ezaka be izany”, hoy izy. Na izany aza, nambarany fa tokony ho hita any amin’ny tapaky ny volana janoary any ny antontanisa farany.
Mpianatra, voafonja, sembana, mpiasa…
Niaiky ny tenany fa misy ireo sokajin’olona mbola tsy voasoratra. Anisan’izany ireo any amin’ny toeram-pitrandrahana any. Ireo manetsa any amin’ny faritra mpamoka-bary. Eo koa ireo mpiasa sy mpianatra nody any an-tanindrazany sy ireo manana fahasembanana any anaty toby fiahiana azy ireo, eny anivon’ny fokontany. “Mbola hitohy ny fitetezana tokantrano amin’ity volana ity. Eo koa ny fanentanana ny mpifidy ho eny amin’ ny fokontany ny febroary…”, hoy izy.
Ankoatra izany, efa mandeha koa ny dingana fanisana ireo voafonja, tsy mbola voatsara nefa tokony ho afaka hifidy. Tahaka izany koa ny fijerena ireo hiakatra fitsarana ka mety ho voaheloka. Efa harindra miaraka amin’ny mpiandry fonja sy ny distrika izany ka ho hita any amin’ny fiafaran’ ny fanavaozana ny lisitra, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.