Mitohy ny ady hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny alalan’ny tagnamaro ataon’ny zandary. Basy roa mahery vaika indray no tafaverina.
Fitaovam-piadiana roa mahery vaika indray no naterin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambatolahy, kaominina ambanivohitra Ambondromisotra, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny 02 janoary teo. Miady amin’ny asan-jiolahy sy fanatanterahana ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana (TAFA), nanao fanentanana ny mponina ny mpitandro filaminana ao an-toerana notarihan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ny zandarimaria Ambatofinandrahana. Niatrika ny fivoriana niarahan’izy ireo tamin’ny fokonolona ireo tomponandraikitra ao an-tanàna toy ny sefom-pokontany sy ny andrimasom-pokonolona ny faran’ny taona teo. Tsy niandry ela, nisy tamin’ireo tsara sitrapo nanatitra sahady ny basy tsy manara-dalàna tany aminy. MAS 36 miaraka amin’ny bala iray sy basy vita gasy “Triple canon” ireo fitaovam-piadiana ireo. Na iza ny aza, mbola mampirisika ireo mihazona basy tsy nahazoana alalana hanatitra izany eny amin’ny biraony ny zandary ao an-toerana. Tetsy ankilany, nampirisihina hikajy ny tontolo iainana sy hiady amin’ny famotsiana omby halatra koa ireo mponina tao anatin’ny distrikan’ Ambatofinandrahana nandritra io fanantanterahana ny TAFA io.
Tsiferana Randriatiana