Antanimora : naverina am-ponja i Mahery Lanto Manandafy

Dimy andro monja, taorian’ny nivoahany ny fonjan’Antanimora! Nosamborina sy naiditra am-ponja indray i Mahery Lanto Manandafy na i Malama, omaly antoandro.

Naverina eny Antani­mora i Manandafy Ma­hery Lanto (Ma­lama) taorian’ny fivoahany ny fonja ny 31 desambra teo. Enjehina mikasika ny raharaha tamin’ny 17 desambra 2020, tany Toamasina izy. “Maty ny dokotera, dadan’ny senatera Benessy Harison Sebastien tamin’ny 2020 ka nilaza ny fahafetasan’i Dr Benessy tamin’ny tambajotran-tserasera i Mahery, antony nanenjehana azy”, hoy ny vadiny. Taorian’io, voaantso teto Antananarivo sy tao Toa­masina izy. Andro iray mitovy ny fampiantsoana. Tsy afaka nizara roa anefa ny tenany. Nalaina taty Antananarivo izy tamin’izany fotoana. Naiditra am-ponja vonjimaika tany Ambalatavoahangy, Toama­sina, ny 19 jona 2020. Tao­rian’izany, nilamindamina teny ny raharaha.
Vao niandoha ny taona. Tonga hisambotra azy teny an-tranony ny zandary ny voalohan’ny janoary. Tsy tao an-toerana i Malama, fa tany tany ambanivohitra niaraka tamin’ny fianakaviany. Oma­ly maraina, niverina teny Ampefiloha, ny zandary ni­sambotra azy. Noha­diha­diana teny amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena miadidy ny heloka be vava eny Fiadanana. Taorian’io, nalefa eny Antanimora avy hatrany i Malama

Tsy ara-drariny
“Tsy ara-drariny ny fanenjehana an’i Mahery Lanto mikasika ity raharaha ity satria taona maro aty aoriana vao naseho ny didy fampisamborana azy milaza fa 12 volana an-tranomaizina ny sazy miandry azy”, hoy ny vadiny, Rakoto Samuel Doris, raha nanaovana fanadihadiana, omaly. “Marihina fa tsy nanao “PV” ny senatera Benessy Harison Sebastien, mpitory azy”, hoy hatrany ny vadiny . “Tsy nahafantatra ny “audience” tamin’io raharaha io akory i Mahery Lanto fa ny namany no nilaza taminy. Tsy nisy taratasy nanambara io didy io tamin’ny fivoahany ny fonja”, hoy hatrany ny fanazavany. “Mety halefa any Ambalatavoahangy izy aorian’izao fandefasana azy eny Antanimora. Ny fitsarana any Toamasina no nandefa ny didy fampisamborana. Nanantanteraka baiko ny zandary teto Antananarivo.”, hoy izy namarana ny resaka.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: