Chine : 2 tapitrisa isan’andro no voan’ny Covid-19

12 ny firenena mitaky ny hanaovan’ny olona rehetra avy any Chine fitilana PCR hanamarinana ny fahasalamany rehefa hiditra ao aminy satria mirongatra indray ny Covid-19 any Chine amin’
izao fotoana izao. Iray amin’
ireo firenena ireo i Frantsa izay nanambara tamin’ny alalan’ny praiminisitra frantsay, Elisabeth Borne, fa andraikitry ny fanjakana ny miaro ny mponina ao aminy. Araka ny fanadihadian’ny fikambanana britanika iray, mahatratra
11 000 isan’andro ny olona mamoy ny ainy vokatry ny Covid-19 any Chine, amin’
izao fotoana izao. Tsy voafehin’ny fitondrana any an-toerana intsony ny valanaretina ary mitombo avo dimy heny ny isan’ny marary miditra hopitaly tao anatin’ny herinandro. Nambaran’ny mpitsabo manokana any amin’ny hopitaly Chengdu fa tombanana hatrany amin’ny 2 tapitrisa isan’andro ny olona vaovao ifindran’ny tsimokaretina. Efa nanidy ny sisin-taniny ho an’ireo vahiny tao anatin’ny telo taona nisehoan’ny Covid-19 i Chine. Tsy nanome fahazoan-dalana vaovao hivahiny ao aminy intsony izy ary mitaky ny fitokana-monina ho an’ireo mpivahiny rehetra tonga any aminy.

Partager sur: