Fankatoavana lalàna: miankina amin’ny HCC ny momba ilay volamena atsy Maorisy

Hiverina hiasa, manomboka amin’ny herinandro ambony io ny eo anivon’ny HCC. Ma­romaro ireo asa sy vary mangatsiaka tsy mbola nankatoavin’izy ireo amin’ny lalàna nolanian’ireo parlemanta. Anisan’ny andrasana amin’ireo mpitsara etsy Ambohidahy ny fankatoavana na tsia ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fitsarana ho an’ny fanjakana maorisianina sy i Madagasi­kara. Miankina amin’izany ny ho avin’ireo fanondranana an-tsokosoko volamena any ivelany. Anisan’izany ilay volamena milanja 25,5kg sarona tany amin’ity Nosy akaiky antsika ity ary mbola giazan-dry zareo Maorisianina hatramin’izao izany harem-pirenena izany.
Iandrasana ny fankatoavan’ny HCC koa ny fifanarahana findramam-bola miisa efatra, efa lany teny Tsimbazaza sy Anosikely. Manampy izany ny tokony hankatoavana ka handinihan’ireo mpitsara avo ny fehezan-dalàna mifehy ny fiahiana ara-pahasalamana, niainga avy amin’ny depiote Vo­ni­nahitsy Jean Eugene. Eo koa ny fangatahana ny fahaleovantenan’ny oniversite sy ireo sampam-pianarana ambony miaraka aminy, natolotry ny depiote Rasoazananera Monique.
Etsy andaniny, iandrasana ny fandinihan’ireo mpitsara ny momba ny famatsiana herinaratra, niainga avy amin’ny governemanta.
Andrasana izany ny ho fa­napahan-kevitry ny HCC amin’izao fiandohan’ny taona izao.

Synèse R.

Partager sur: