Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana sy fampivelarana ny kolontsaina sahanin’ny La Teinturerie, hosokafana ny 11 janoary izao, ao amin’ny Isart Ampasanimalo ny hetsika «Feon’Ala». Fifarimbonana mpanakanto misahana taranjan-javakanto samihafa no haneho ny maha sarobidy ny ala sy ny akon’ny fisiany eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. I Alexia Webster hisahana ny saripika, i Toky Andrianjafitsara sy i Miranto Rafanomezana haneho ny fiheverany ny «Feon’Ala» amin’ny alalan’ny «video mapping». I Maherisoa Rakotomalala, hampiasa ny «art digital», i Motasoa, hikirakira ny feo (art sonore), i Meghan Judge hampahafantatra ny hasarobidin’ny ala amin’ny alalan’ny «video». Sary sokitra kosa no ampiasain’i Dieudonné Vonj raha fiantsana tononkalo kosa ny an’i Billy Head, i BazouK hanatanteraka ny «installation».
Marihina fa notakarina avy amin’ny aingam-panahin’i Cécile Bidaud, novatsian’ny National Geographic vola ny fanatanterahina ny «Feon’Ala».
HaRy Razafindrakoto