Fitantanana sy andraikitra : hitondra fijery vaovao eo amin’ny politika i Durlin Retogniane

Iza izy ? Durlin Retog­niane ny anarany. 39 taona ary manam-bady sy niteraka roa. Anisan’ny fialamboly tiany ny mamaky boky sy mijery ho­ronantsary fanadihadiana “Do­cu­mentaire”, amin’ny fahitalavitra. Mankafy fanatanjahantena ary efa nanao ny taranja basikety sy ny ping pong koa izy. Anisan’ny gadona ankafiziny ny hiragasy, tsapiky sy ny salegy. Eo amin’ny sakafo kosa, tia ny trondro nahandro gasy sy ny hen’omby ary kabaro.
Toromarika sy lesona ho an’ny tanora

Nanamarika azy teo amin’ny fiainana ary tena nahafaly azy ny nitaingenany fiaramanidina mialoha ny fe-potoana nanaovany fanamby mba hisidinana eny ambony eny.
Nomeny toromarika sy le­sona koa anefa ny tanora. “Tsy mahazo kivy amin’ny fiainana. Fantaro ilay talentanao ary ampiasao araka ny tokony ho izy izany, miaraka amin’ny olona azo antoka ary amin’ny fotoana faran’ny haingana”, hoy izy.
Nianatra sy nandalina ho ” Technicien supérieur en écotourisme et hôtellerie” Asa ataony ny mpandika teny “In­terprète, guide accompagnateur”. Eo koa ny maha mpandraharaha “Entrepreneur” azy.

Valifaty politika lavareny…

Etsy andaniny, filoha lefitry ny fikambanana Mitsan­gana ry tanora (MRT) ny tenany. “Anton’izany fitarihana fikambanana izany mba ho fampirisihana sy ho fampandraisana andraikitra ny tanora”, hoy izy.
Ankoatra izany, sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana i Durlin Retog­niane. Te hitondra fijery vaovao amin’ny fomba fanaovana politika ny tenany, araka ny nambarany. Anisan’izany ny fijerena ny tena olana misy eny ifotony. Mamaha izany amin’ny alalan’ny fitaovana eo am-pelatanana. “Mitodika amin’ireo firenena afaka iarahana miasa ka samy mijery tombotsoa iombonana rehefa tena tsy voavaha ilay olana. Fomba fijery vaovao koa ny fametrahana ireo manana traikefa sy ny fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatrasa iray”, hoy izy.
Anisan’ny nitondrany ny heviny ny olana eo amin’ny fanaovana politika eto amintsika. Eo ny fitiavan-tseza lavitry ny fitiavan-tanindrazana. Eo ihany koa anefa ny valifaty ara-politika lavareny, araka ny nambarany.

Fifampidinihana mialoha ny fifidianana

Nitondra vahaolana koa anefa ny tenany ny amin’ny tokony hifantohan’ny mpitondra amin’ny fitrandrahana ireo harena misy eto amintsika. “Mitodika amin’ireo firenena, mitovy fomba fijery ara-diplomatika mba hi­sian’ ny fiaraha-miasa matotra, samy mahazo tombony sy tsy mifanambaka “Gagnant-gag­nant” raha tena te handroso isika”, hoy izy. Na izany aza anefa, nambarany fa ilaina ny fifampidinihana mialoha ny fifidianana mba hipetrahan’ny fitsipi-dalao mazava.

Synèse R.

Partager sur: