Hotanterahina ny asabotsy 9 janoary 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny alarobia 11 janoary 2023 ny “Masterclass International de Guitare”, karakarain’ny “EGM-Conservatoire de Musique”. Hetsika fanararaotra ho an’ny mpiangaly sy mpankafy gitara Malagasy, indrindra ny mpianatra eo anivon’ity sekoly fampianarana mozika ity. Ho avy amin’io hetsika io ihany koa i Flamenca Arnito, mpitendry gitara teratany frantsay. Izy izay handray anjara amin’ny fampiofanana sy atrikasa.
Zava-baovao sy mahafinaritra no nitsena ny mpankafy ny fitendrena gitara, amin’ izao fiantombohan’ny taona izao. Ny hanome ny tsara sy fahafaham-po ho an’ny mpankafy sy mpiangaly ny fitendrena gitara no tanjon’ny mpikarakara amin’ny fanaovana izao hetsika izao. “Masterclass”, fampiofanana, atrikasa no ho hita ao amin’izany hetsika izany. Hisy kosa ny fampisehoana hampiharan’ny mpiofana ny fampiofanana nomena azy any amin’ny faran’ny hetsika, izay tanterahina ny alarobia 11 janoary 2023.
“Ny valala tsy indroa mandry ambavahady”. Maro ny zava-baovao sy fahaizana hifampizarana mandritra ny hetsika. Misongadina eo
amin’ny tontolon’ny Jazz ihany koa ity mpitendry vahiny ity. Ampolony ny rakikira navoakany, nanomboka ny taona 2004 hatramin’ny 2022. Sahala amin’izay ihany koa ny fiara-miasa amina mpanakanto sy fampisehoana ara-javakanto nataony. Nanambara anefa ny mpikarakara fa natao ho an’ny mpitendry gitara efa manana fahaizana efa lasa lavitra ny hetsika. Maimaim-poana saingy tsy maintsy misoratra anarana kosa izay handray anjara.
Lin (Mpianatra asa)