Hotanterahina ny asabotsy 7 janoary 2022, eny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely ny “Slam scène ouverte”, karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Hetsika natao ho an’
izay te hampiseho ny talentany eo amin’ny tontolon’ny “Slam”. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra amin’io fotoana io. Tanjona ao anatin’izao ny hanatrarana ny vina, ny amin’ny fampiroboroboana ity zavakanto iray ity, eto Madagasikara.
Hifampizara fahaiza-manao sy hankafy talenta vaovao indray ny mpankafy “Slam” amin’izao fiandohan’ny taona izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra ao anatin’ity seho ity. “Samy maneho ny talentany, ny asa sorany ao anaty fahafahana tanteraka ny mpandray anjara amin’io fotoana io. Tsy voafetra ny mpandray anjara saingy entanina hanaja ilay 3 minitra.”, hoy i Tajero, Slamoureux.
Hiverina, araka izany, ny hetsika fanaon’ny mpankafy “Slam”. Tsy miova ny vanin’andro sy ny toerana hanatanterahana izany.
Lin (Mpianatra asa)