Kaominina Ampanotokana : efa salama ireo noahiana ho voan’ny pesta

Tapitra ny 30 desambra teo ny fihibohana natao ta­min’ireo mponina tao amin’ny fokontany Androhibe, kaominina Ampanotokana, dist­ri­kan’Ambohidratrimo. Efa afa­ka mifamezivezy ny mponina satria voafehy ny aretina izay nampiahiahy toy ny trangana pesta ka nahafaty olona dimy tao an-toerana. Nisy tamin’ireo mpivady… Afaka misokatra, araka izany, ny sekoly amin’ny fidiran’ny mpianatra eo raha ny fanazavana avy any an-toerana.
Efa salama ihany koa ireo olona dimy hafa narary ka narahi-maso tao amin’ny tobim-pahasalamana, araka ny vaovao nampitain’ny tompon’andraikitra any an-toe­rana.
Nisy ny fitiliana ahafahana mamantatra ny fototr’aretina niteraka fahafatesana tany an-toerana. Rehefa nanontaniana ny lehiben’ny dokotera any an-toerana dia tsy nety nanambara ny vokatry ny fitiliana. Miteraka ahiahy amin’
ireo mponina any an-toerana anefa ny trangan-javatra na dia tsy nahitana fivoarany intsony aza. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny tena aretina nahafaty ireo fianakaviana tao Ampanotokana.

Tatiana A

Partager sur: