Taorian’ny niaingan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, teto an-tanindrazana, ny alatsinainy lasa teo, nanao fanazaran-tena indroa, tamin’ny 10 ora maraina sy ny 6 ora hariva, izy ireo, omaly. Izany dia notanterahina tao amin’ny kianja Tabarka Stadium. Fiomanana izay natao hiatrehana ny lalao hihaonana amin’i Congo Brazzaville, ny 6 janoary sy i Niger, ny 9 janoary.
Marihina fa ireo lalao roa ireo dia tafiditra amin’ny lalao fanomanana hiatrehan’ny Barea ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, izay hanomboka ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary ho avy izao. Ankoatra izay, efa tamin’ny talata lasa teo izy ireo no nanazatra tena tao amin’ny kianja Tabarka, izay natao hanalana ny vesatry ny dia. Ao amin’ny hotely la Cigale no misy ny delegasiona malagasy. Araka ny vaovao voaray, salama tsara avokoa ireo mpilalao, ary efa hita taratra eo amin’izy ireo ny fahavononana hiatrika ny lalao rehetra.
Fitia (Mpianatra asa)