Ramamonjisoa Régis: “Tanterahina rehefa tenenina”

“Tokony hojerena amin’izay ny hoe: tanterahina raha nampanantena zavatra ny va­hoaka ny tena. Izay ny politika vaovao: tanterahina rehefa zavatra tenenina sy nampanantenaina”, hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madaga­si­kara (RMDM), sampana Ma­hajanga, Ramamonjisoa Régis, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao.
“Indraindray isika variana amin’ny hoe fampantenana”, hoy izy. Aza hadinoina fa samy nampanantena ny mpitondra nifandimby teto. Na­taony ho ohatra amn’izany ny fampanantenana fiara 4L na­taon’ny filoha teo aloha, Ravalo­­manana Marc; ny fampanantenana ny fanafoanana ny de­lestazy ao anatin’ny telo volana nataon’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Izao, mbola iaraha-mahita izany…
Tsy ankianina amin’ny olona iray ny fampanantenana, fa samy nanao an’izany. Izany koa tsy midika hoe hifaninana amin’ny zava-dratsy hatrany isika, hifaninana hanome fampanantenana poakaty ny va­hoaka isika. Fa ny vahoaka malagasy no mba mandinika izay tena zava-nitranga tamin’izany fotoana izany, izay nolalovan’ny firenena? Na maneran-tany izany, na ny teto Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: