Niakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena nanomboka, omaly. Haratsian-dalana noho ny orana sy tsy fahampian’ny tahirin’ny tantsaha no nambaran’ny minisiteran’ny Varotra ho anton’izany.
Mitaraina amin’ny vidim-bary eny an-tsenakely avokoa ireo mponina ho an’ny eto an-dRenivohitra, nanomboka ny tapaky ny volana desambra teo. Araka ny nambaran’ny mpamongady vary iray etsy amin’ny tsenan’Anosibe, niakatra 50 Ar ka hatramin’ny 100 Ar ny kilaon’ny vary. Ho an’ny vary mena, mitetina 2.750 Ar ny kilao saingy efa manodidina ny 3 200 Ar izany, eny amin’ny mpanjinjara madinika. Mitetina 137.500 hatramin’ny 160.000 kosa ny iray gony. “Tsy afa-manoatra izahay satria efa miakatra hatrany amin’ny hangalana azy mihitsy ny entana”, hoy ity mpamongady ity. Ho an’ny vary fotsy toy ny makalioka kosa, 3 000 Ar ny iray kilao. “150. 000 Ar eo ny iray gony ho an’ny makalioka”, araky ny fanamafisany. Ireo mpivarotra mitsinjara eny an-tsenakely kosa no miezaka maka tombom-barotra araka izay tsy hahafaty antoka azy. Misy amin’ireo mpivarotra sasantsasany, efa mitsinjara ho 3.200 Ar ny vary makalioka raha toa ka tsy latsaky ny 3.000 Ar ny vary mena.
“Mihena ny tahiry”
“Miditra anatin’ny maitso ahitra, efa mihena ny tahirin’ny tantsaha sady ratsy ny lalana ka mahatonga ny fiakaran’ny vidim-bary”, araky ny nambaran’ny tale misahana ny tsena anatiny eo anivon’ny ministeran’ny Indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Randriamiaramahefa Andriniaina, omaly. Hisorohana io fiakaran’ny vidim-bary io, efa nanafatra vary milanja
140 000 taonina ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. Amidy 750 Ar ny kapoka amin’ ireo vary ireo. Namafisiny fa tsy tokony hihoatra ny 3200 Ar ny kilaon’ny vary avy eto an-toerana eny an-tsena ary tokony hihena rehefa miditra amin’ny fisitrahana ny vary aloha (manomboka ny febraory) avy eny amin’ireo tantsaha ny eto an-dRenivohitra. Etsy ankilany, efa Mitaraina ary tsy mahavidy amin’ny gony intsony ny ankamaroan’ny mpanjifa fa amin’ny kilao sy kapoaka. “An-kavitsiana ireo mahavidy gony sisa amin’izao fa zara raha mahavidy kely harotsany isan’andro ny mpividy”, hoy ny mpanjinjara iray etsy Anosibe.
Tsy nihetsika ny vidin’ny entana sasany
Ankoatra ny vidim-bary, tsy nisy nihetsika ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro (PPN). “Mbola ny vidiny tamin’ny taon-dasa ihany hatreto no hamarotanay ny menaka sy ny siramamy”, hoy Hasina Nantenaina, isan’ ireo mpivarotra PPN, etsy Anosibe. Tsy misy ny siramamy fotsy fa ireo mavokely no mitobaka raha ny eny an-toerana amin’izao fotoana. “Nihena kely aza ny vidin’ny menaka eny amin’ireo mpanjinjara sasany”, hoy hatrany ny talen’ny tsena anatiny eo anivon’ny ministera ny Varotra, Randriamiaramahefa Andriniaina. Raha tsiahivina, nihazakazaka izay tsy izy ny fiakaran’ny vidim-piainana saika maneran-tany tao anatin’ny telo taona farany, noho ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19.
Tsiferana Randriatiana