Namoaka filazana ny minisiteran’ny Asa vaventy fa hisy ny fahatapahan-dalana eny amin’ny Rocade Iarivo mandritra ny iray volana (9 janoary ka hatramin’ny 5 febroary), noho ny fanatsarana sy fikojakojana ny fotodrafitrasa.
Ny 9 janoary hatramin’ny 17 janoary dia ho tapaka ny lalana ankavanana “Rond point RP1” sy ny Rond point RP2 izay mampitohy an’ Amoronakona mankeny Ambohimahitsy. Ny lalana ankavia ihany no azo ampiasaina mandritra io fotoana io.
Ny 18 janoary hatramin’ny 5 febroary kosa dia hotapaka ny lalana ankavia manontolo ho an’ny Rond point RP1 sy RP2. Miainga eny Ambohimahitsy mankeny Amoronakona. Ny ilany havanana indray no azo ampiasaina ao anatin’izany.
Mila miomana amin’ny fanarahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana ireo rehetra mampiasa iny lalana iny mba tsy hotampohiny, indrindra ireo mpianatra sy mpiasa miditra maraina.
Nilaza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy fa hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eny an-toerana aorian’ny fanamboarana .
Efa nampahafantarina ity filazana ity ireo mpampiasa lalana rehetra sy ny polisin’Antananarivo ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba hisian’ny fiaraha-mientana amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy hampizotra izany hatrany na dia eo aza ny asa fikojakojana tsy maintsy atao.
Tatiana A