Rugby – « 6 Nations » : maratra ilay mpilalao frantsay Jonathan Danty

Vaovao ratsy ho an’ny ekipam-pirenena frantsay, taranja rugby, ny faharatrana mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalaon’ny Stade Rochelais Fran­tsa. Ny XV de France, izay hanao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja rugby, na “6 Nations”, amin’ny 4 febroary hatramin’ny 18 marsa ho avy izao. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, tsy afaka hanao io fifaninanana io ny tenany.
Tsiahivina fa voadona ny lohaliny havanana, ka tsy afaka hiakatra kianja mandritra ny telo volana ny lehilahy. Raha hiverenana ny zava-nisy, tamin’ny lalao nihaonan’izy ireo tamin’ny Perpignan Frantsa no nahazoany ny ratra.
Ankoatra izay, manahy mafy ny tsy hahafahan’i Jo­nathan Danty miatrika Mon­dial ireo mpankafy frantsay. Niely tao an-toerana fa ahiana ho tapitra tanteraka ny taom-pilalaovana 2023 ho azy. Noho izany, mety tsy afaka ny hanao Mondial 2023, izay atao ao Frantsa, ny 8 septambra hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao koa, ity mpilalao ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: