Matin’ny fokonolona ny lehilahy iray avy nanafika tokantrano iray ao Mahavelona afakomaly. Tokantrano iray efa notafihin’izy ireo no niverenany tamin’io fotoana io.
Notafihin’olon-dratsy ny tokantrano iray ao Mahavelona, kaominina Renivohitra, distrikan’i Vangaindrano afakomaly. Niantso vonjy ny tompon-trano antsoina hoe Bovin rehefa tafiditra tao an-trano ity jiolahy ka nivoaka namonjy azy i Sambany, mponina eo an-tanàna. Naheno ny kotaba ny fokonolona ka nivoaka avy hatrany nanome tanana ka raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Nandositra sy nandrahona ny hitifitra ity olon-dratsy ity ka tezitra ny fokonolona. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy nisy bala kalibra 12 ity olon-dratsy ity, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisy any an-toerana. Tsy namelan’ny fokonolona izy io raha tsy maty. Naharay antso an-tariby avy amin’ny olon-tsotra mikasika io tranga io ny zandary any an-toerana ka tonga nijery ny zava-misy niaraka tamin’ny polisy any an-toerana. Tsy fantatra anarana ity jiolahy maty ity raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Talohan’ izao, nisy dahalo nanafika io tokantrano, ny 27 desambra 2021. Maty tamin’izany, ny zokin’ity olona voatafika ity. Voarohirohy tamin’ny fanafihana ny lehilahy iray voalaza fa zokin’ity jiolahy maty ity. Marihina fa efa nigadra ao farafangana izy io amin’izao, mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka, tatitra voaray. Niandraikitra ny raharaha tamin’io fotoana io ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Vangaindrano. Noroasin’ny fokonolona tsy hipetraka eo an-tanàna intsony ny fianakavian’ity jioalahy ity taorian’io fanafihana io. Voalaza nanao ny valifatiny mikasika izany ity jiolahy maty ity ka nandrahona ny mponina. Tsy lasa lavitra anefa fa izao matin’ny fokonolona izao. Niandraikitra ny raharaha tamin’ity ny polisy any an-toerana.
Mino ( Mpianatra asa)