Taorian’ny fitanana am-ponja azy noho ny fanendrikendrehana, nahazo fahafahana madiodio ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Tsimafana, i Haky Tsimidary. Noho ny tsy fahasalamana nahazo azy, nitsabo tena teto an-dRenivihotra izy ka niverina nitodi-dohy nihazo an’i Belo Tsiribihina, ny alarobia 28 desambra lasa teo. Nandritra ny fitsenan’ny mponin’ny kaominina ao an-toerana azy, nanao antso avo ho an’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ity ben’ny Tanànan’i Tsimafana ity mba hijerena manokana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra Menabe. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa hatrany sy hifanohana amin’ny fitondram-panjakana koa ny tenany. Nentanin’ny hafaliana noho izao fiverenan’ny ben’ny Tanànan’izy ireo izao, nanolotra omby efatra ny fokonolona. Marihina fa efa nigadra nandritra ny volana maro ity ben’ny Tanànan’i Tsimafana ity saingy afaka nivoaka ny fonja taorian’ny didy navoakan’ny mpitsara.
Tsiferana R.