Bureau des doléances: 9 240 ny fitarainana voaray

“Amin’ny ankapobeny, ny ady tany sy ny olana goavana amin’ny karaman’ny mpampianatra Fram tsy azo, ny vola fisotroan-dronono diso kajy, ny faktiora tsy voaloa amin’ny sehatra sasany… Izay aloha no tena ihazakazahanay, satria mahakasika ny fiainan’ny olona avy hatrany. 9 240 eo ho eo ny antontan-taratasy azonay. Any amin’ny 5 000 latsaka kely no efa voakarakaranay.”

Io ny nambaran’ny talen’ ny Birao fandraisana fitarainana (Bureau des doléances) eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richardson, momba ny antontan-taratasy voarain-dry zareo tamin’ny taona 2022. Tsy mpanapa-kevitra ny Birao fandraisana fitarainana, tsy rafitra fitsarana, tsy rafitra an’ny polisy, tsy rafitra ara-toekarena na politika…. Amin’ny maha raiamandreny ny filohan’ny Repoblika, misolo tena azy ny birao amin’ny fandraisana fitarainan’ny va­hoaka ary mamaha izany, araka ny fanazavan’ny olona amin’ny fitarainana miaraka amin’ny taratasy fanamarinana rehetra ataony.
Tsy mora ny asa
Aravon’ny birao izany, ary alefany any amin’ny departemanta na orinasa voakasika, na any amin’ny prefet, na ny lehiben’ny distrika, na ny governoran’ny faritra… Amin’ ny ankapobeny, 2 500 na 3 000 isan-taona ny antontan-taratasy voarain’ny birao. Tsy iandrasana an-taonany toy ny any amin’ny fitsarana ny famahana izany, fa eo amin’ ny iray ka hatramin’ny telo volana eo dia vita; avy eo, alefa any amin’ny departemanta manapa-kevitra farany ny amin’ireo olam-bahoaka.

Tsy mamaha olana mi­vantana ny birao, fa manara-maso ny famahana olana ary miresaka amin’irao departemanta voakasiky ny raharaha. Be dia be ny olana eto Madagasikara. Misy olana tsy voavaha tany amin’ny 20 na 30 na 40 taona no vahan’ny birao amin’izao. “Tsy mora ny asa, fa izay no fanehoanay ny fitiavana tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana. Raisina amim-pitiavana ny andraikitra fa mafimafy ihany”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: