Mitovy hevitra amin’ny ben’ny Tanàna Toliara I, ny solombavambahoaka voafidy tao Toliara I, Rabehaja Jean. Nohamafisiny fa miatrika ny fifindra-monina faobe vokatry ny fiovan’ny toetr’andro i Toliara, izay saika avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny ankamaroany. « Tsy voararan’ny Lalampanorenana ny fifezivezen’ny olona sy ny fananana, raha tsy misy ny fiomanana handraisana azy ireo marobe. Izay no mahatonga ny hamaroan’ireo mpitarika posy bisikileta eto an-toerana », hoy izy.
Tsy mahasarika ny mpampiasa vola
Ho azy, olana saro-bahana ny tsy fananan’asa satria tsy misy ny orinasa indostrialy vaventy sy ny orinasa afakaba. Isan’ny olana mahatonga izany ny halafosan’ny herinaratra any Toliara miohatra amin’ny faritra hafa. Hany, ka tsy mahasarika ny mpampiasa vola ny hanao fihariana sy hanangana orinasa any.
Manaiky ny hevitra hisian’ny tetikasa Base Toliara ny depiote Rabehaja Jean, satria hitondra fampandrosoana any an-toerana sy hiteraka tombontsoa ho an’ny mponina. Aminy, tsy tokony hampisara-bazana eo amin’ny fiaraha-monina ity tranga ity, vao maika aza hitondra firaisankina rehefa tena karohina ny marimaritra iraisana eo amin’ny mpomba ny tetikasa sy ny manohitra azy. « Mipetraka amin’ny maha Raiaman-dreny aho, ka soson-kevitro ny hanaovana latabatra boribory, hikaonan-dohan’ireo sokajin’olona voakasika rehetra. Manana tombondahiny rahateo i Toliara, miohatra amin’i Toamasina, efa misy an’Ambatovy sy Taolagnaro amin’ny QMM », hoy ihany izy.
Fotodrafitrasa maro
Manampy ireo, tsapan’ity solombavambahoaka ity, fa tsy nanadino ny faritra Atsimo Andrefana ny fanjakana foibe. Porofon’izany ny fanombohana ny fanarenana ny lalam-pirenena RN 10, amin’ity taona 2023 ity, ny famaranana ny RN 9, ny famitana ny tetezana Mangoky mampitohy an’i Menabe sy Atsimo Andrefana. Eo koa, ny Tetikasa fampandrosoana ny faritra fanodinana ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (PTASO), vatsian’ny banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola.
Njaka A.