EGM –Conservatoire de musique: hiavaka ny hetsika ho an’ny mpankafy gitara

Hetsika lehibe eo amin’ ny tontolon’ny fitendrena gitara no karakarain’ny EGM-Conservatoire de mu­sique. «Masterclass Inter­national de Guitare» no anarana entin’ity hetsika ity. Handritra ny efatra andro no hanatanterahana azy, hanomboka ny asabotsy 7 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny alarobia 11 janoary 2023. Isaky ny karazany avy ny hetsika amin’ireo fotoana ireo. Misy ny natokana ho an’ny mpianatra eo anivon’ny sekoly EGM-Conservatoire de musique, misy ny natokana ho an’ny mpankafy gitara ary misy ny natao ho an’ny olona rehetra.
Sambany ny hetsika ta­haka izao, ary isan’ny hi­songadina, raha ny amin’ ity taona ity manokana. Hi­sy ny «Masterclass», atri­kasa sy fampiofanana, seho anehoana ny vokatry ny atrikasa no hanamarihana ny hetsika. Hasongadina manokana mandritra ny hetsika ny “Jazz fla­menca”. Antony nahatongavan’i Arnito, mpitendry gitara matihanina, teratany frantsay, misongadina eo amin’ny tontolon’ny “Jazz flamenca”.
Ny asabotsy 7 janoary 2023 amin’ny 2 ora tolakandro no hanombohan’ny hetsika, eny amin’ny EGM-Conservatoire de mu­sique. Voatokana ho an’ ny mpianatra eo anivon’ity sekoly fampianarana mozika ity ihany ny hetsika atao amin’io fotoana io. Hitohy indray ny alatsinainy sy talata . Amin’ireo fotoana ireo no hanatanterahana ny atrik’asa sy ny fampiofanana. Olona manana fahaizana mitendry gitara somary ambonimbony indray no afaka mandray anjara amin’io fampiofanana sy atrik’asa io. Ny alarobia kosa no hanatanterahina ny fampisehona sy lanonana famaranana. Ao anatin’izany fampisehoana izany no ha­nehoan’ny nandray anjara tamin’ny fampiofanana sy atrik’asa ny vokatry ny na­mpitaina tamin’izy ireo.
Hisy ny fizarana taratasy fanamarihana amin’ny nahavitàna fiofanana, atolotra ny mpiofana any
amin’ny fiafaran’ny fampiofanana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: