Manoloana ny vono olona mahatsiravina nahafatesana mpivady avy namboly teny an-tsaha, tao amin’ny kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe, ny 23 desambra teo. Olona sivy mianadahy naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Raha tsiahivina, nifamaly tamin’ireo mpivady ireo ny zanaky ny rahalahin-drain’izy ireo. Noho ny tsy fifankazahoana nateriky ny ady tany, no niampangan’ireo fianakaviany ireo ho mpamosavy azy mivady sy ny zanany lahy 16 taona. Tsy nanampo na inona na inona, nikasa hamonjy fodiana izy telo mianaka no nandrasan’ny andian-dehilahy nirahin’ireo fianakaviany ireo. Nokapakapain’ireo tamin’ny antsy ny tenda sy ny lohan’izy mivady ka maty tsy tra-drano. Naratra mafy kosa ilay zazalahy zanany saingy avotry ny fokonolona. Raikitra ny fikarohana ka fito ireo voasambotra tamin’ny andro nisehoan’ny loza. Niakatra sivy izany taty aoriana ka samy nidoboka am-ponja avokoa ireto farany.
Tsiferana R.