Taorian’ny fametrahana saina mena 400 teny amin’ireo fokontany 15 voakasiky ny mety ho fihotsahan’ny tany na vato eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina (eto Antananarivo) .Izay natao ho fampatsiahivana ny mponina fa misy ny tandindon-doza, manara-maso ny fivoaran’ny zava-misy eny an-toerana ny teknisianina. Ny rano mitsika any ambanin’ny tany eny amin’ny vato, ny vato mihetsiketsika ary ny vinan’ny toetry ny andro samy singa mitondra ambana avokoa. Efa ao anatin’ny fotoam-pahavaratra rahateo izao ka mila mailo ny mponina voakasika rehetra. Tsy mbola tonga amin’ny fanesorana ny olona monina amin’ireo faritra tandindomin-doza ny raharaha fa izy ireo no tokony hahatsapa tena fa misy ny tandindon-doza ka mitady vahaolana sahady, hoy ny fanazavana azo. Hatreto aloha, malaina miala ireo mponina satria tsy misy toerana voaomana ho amin’izany atolotry ny tomponandraikitra mahefa.
Nampahatsiahy ny BNGRC fa nanomboka ny taona 2015 no ho mankaty, olona manodidina ny 15 no namoy ny ainy, vokatry ny fihotsahan’ny tany sy ny vatobe manerana ny Nosy.
Vonjy