Mandeha tsy moramora

Miroso tsy moramora ny fanovana. Fanovana inona moa fa ny resaka governemanta. Efa mandeha ny fifanatonana isan-karazany etsy sy eroa. Manomboka ny dokambarotra ireo minisitra amperinasa ataon’ny mpikaraman’ady eny amin’ny tambajotran-tserasera. Mifanindran-dalana amin’izay koa ny fanaratsiana sy ny fandrimpandrika madinidinika. Samy manao izay ho afany na ny mpanohana na ny mpanohitra.
Iarahan’ny rehetra mahalala rahateo, fa feno efa-taona amin’ity volana ity ny governemanta ny Praiminisitra Ntsay Christian. Fanontaniana mipetraka, Mbola hanohy vé izy sa hametra-pialana na koa hisaorana sy hosoloina ? Efa mandeha manko ny feo fa mety ho isan’ny kandida ho Filoham-pirenena ihany koa izy. Izy izay efa io kotrokotrohan’ny solombavambahoaka sy ny tena mpanohana ny Filoha Rajoelina io. Hatreto tsy mbola mangirana ny vaovao momba izany. Afa tsy ny fivoahan’ny Anarana samihafa, miady ny ho tompon’ny lapan’i Mahazoarivo. Eo ny adin’ny samy mpikambana anaty governemanta ihany. Misy koa ny fifanindrian’ny samy andriambavilanitra tandapa. Hatreto tsy mba heno izay Anarana olom-baovao tsy mbola voasaringotra amin’ny kirizy lalovan’ny firenena izao. Izany hoe ny Tonta ihany no avadibadika angamba ?.
Mikasika izay ho minisitra indray, tsapa fa mandalo kirizin’olona ihany koa ny fitondrana. Efa hitam-poko ,hitam-pirenena ny fandefasana iraka etsy sy eroa mangataka fiaraha-miasa. Misy aza olon’ny mpanohitra hiringiriny efa nakana ny heviny amin’izao fanovana governemanta izao. Tsy mahagaga anefa izany raha ny fanaovana politika eto amintsika ankehitriny. Any amin’izay misimisy vola sy ilay fitiavam-bao Dia misy amin’ny mpiara nitolona no efa nivadika, eo ny misababaka sy Manao lela roa. Ilay sakaizan’ny mpandresy moa Dia efa ela no nita rano.
Inona no ilazana izany rehetra izany. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Iankinan’ny ho avin’ny vahoaka malagasy iray manontolo ny fahaizana na tsia manendry ireo hiantoka ny taom-pifidianana 2023. Antoka na tsia, ihany koa amin’ny fahamarinan-toerana sy fampandaniana indray ny Filoham-pirenena am-perinasa ihany koa ny safidiny. Miankina aminy na hiara-dalana amin’ny olona resy lahatra amin’ny politikany, tsy nivadi-belirano taminy, ary indrindra mahasahy manao sorona ny tenany noho ny fitiavan-tanindrazana Andriamatoa Rajoelina Andry, na Mbola hikiry hanaraka ny tenin’olombitsy, miaro ny tombontsoa manokany satria hoe namana.
Volana vitsy sisa dia ho tapitra ny fotoam-piasan’ny Filoha, volana vitsy sisa hananany hanarenana ny politikany ka tsy tokony hanao ranon’Ikopa izy sy ny ekipany. Tokony hiverina hangorona ny fototra niara-dalana taminy fa tsy hanohy ity fitsipahan-doha laka-nitana ity.

r.r

Partager sur: