Mbola adihevitra lehibe: very hasina noho ny ota fady nataon’ny tanora sy ny vehivavy ve ny kabary ?

Sehatra iray anisan’ny miroborobo fatratra ny kabary. Manamarina izany ny fitomboan’isan’ireo lazaina fa mpikabary. Fahiny, vitsy ihany ireo tafian-kaja sy voninahitra amin’io anaran’io. Saika ireo lehilahy anti-panahy sy to teny eo anivon’ny fiarahamonina avokoa izy ireny. Taona maromaro taty aoriana, nipoitra tsikelikely ny tanora sy ny vehivavy ambara fa mpikabary. Tena izay marina ve izy ireny raha jerena amin’ny fotom-pisian’ny kabary ?

Tsy mikabary raha tsy mipi-bolo. Tsy tokony hikabary ny vehivavy. Ampahany amin’ireo fepetra (na me­ty ho fomba ihany koa) nokajian’ny Ntaolo malagasy fatratra ireo raha teo amin’ny sehatry ny kabary fahizay. Ankehi­triny, tsy izay intsony. Mikabary hatramin’ny vo­atavo tsy mifandraka. Mangata-bady hatramin’ ny vehivavy.
Very ve ny soatoavina malagasy? Saba-droa lela io raha fakafakaina. Rehefa tsy hanao tokoa ve ny lehilahy tsy aleo hiangalian’ny vehivavy azy. Rehefa milaza ny tsy mahay ny olon-dehibe, tsy aleo hitondra teny ny tanora! Amin’ireo lafiny ireo, maninona tokoa moa raha voadika sy tsy voahaja ilay fepetra na fomba fahiny? Toa mahasolo lehilahy mipi-bolo ihany raha ny fahitana sy fahenoana ny tanora sy ny vehivavy mikabary.
Amin’ny lafiny faharoa indray, sao mba manamaivana ny lanja aman-kasin’ ny kabary malagasy io karazana fivelarana hita amin’izao fotoana izao io? Ilay kabary mety hanara-drafitra (efa ampianarina any an-tsekoly, misy lesona, fampiharana, sns) fa ilay mpikabary, efa ampy fahendrena sy fahamatorana ary fahalalana ny fiainana (hevitry ny mipi-bolo) ve? Sarotsarotra ihany ny hanaiky izany, raha jerena amin’ny saina tsy miangatra.

Tsy tokony hiamboho adidy ny lehilahy
Na izany na tsy izany, tsy tokony hanao fitsara-mitanila ny tsirairay. Tsy azo hadinoina fa ankoatran’ity lazaina fa fandrosoana (fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny miralenta, sns), ny tsy fandraisan’ny lehilahy andraikitra (tsy mety hikabary na mitondra teny) no anisan’ ny nanosika sy nanome hery ny ankizy sy ny tanora ary ny vehivavy hikabary. Izany hoe, manomboka miamboho adidy sy tsy mahefa andraikitra izany ny lehilahy malagasy ankehitriny.

… Mbola ny sehatry ny kabary aloha hatramin’izao no ahitana miharihary io tranga io, raha eo amin’ny fomba amam-panao ary ny kolontsaina malagasy. Mety mbola hisy hanara-dia azy ve atsy aoriana atsy? Na inona lazaina na inona ambara mantsy, misy antony matoa ny lehilahy mipi-bolo no neken’ny fiarahamonina malagasy fahiny hikabary. Sa, io fepetra io mihitsy no efa lany andro? Diniho lalina!
Lesoka sy loza mananontanona ny endri-piarahamonina malagasy io tsy fandraisan’ny lehilahy andraikitra io. Mitsoaka adidy, manilika andraikitra, hany ka mipoitra tsikelikely ny vehivavy lohan’ny tokantrano. Tsy mijanona hatreo anefa izany fa mety hitarika hatrany amin’ny fahaverezan-kasin’ny lehilahy mihitsy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: