Miandrivazo : vehivavy nangala-jaza voasambotra

Voasambotry ny polisy, ny alatsinainy teo, ilay ramatoa nanao herisetra tamina ankizivavikely 10 taona. Tsy vitan’izay ihany fa misandoka ho renin’ilay zaza mihitsy izy, ka manampatra ny heriny amin’ity tsy manan-tsiny. Araka izany, nahazo angom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy zazavavikely niharan’ny herisetra tao Man­garoa Anjiajia, distrikan’i Miandrivazo. Nidina nijery ifotony ny polisy ka nitondra ilay ramatoa teny amin’ny birao natao fanadihadiana. Nandritra izay, nilaza ilay ankizivavikely fa tsy reniny niteraka azy io fa mpiara-miasa amin’ny ray aman-dreniny fotsiny ihany. Matetika voavono anefa izy, indrindra raha mitady vonjy aman’olona. Sakanany rahateo izy mba tsy hanao izany. Etsy ankilany, nilaza anefa ilay vehivavy fa zanany ilay ankizivavikely. Vokany, nitohy ny fanadihadiana ny raharaha ka nikaroka ny tena ray aman-dreniny ireo mpitandro filaminana. Fantatra ta­min’izay fa nangalarin’io ra­matoa io ilay ankizivavikely. Mbola mitohy ny famotorana ity tranga ity.

Henintsoa H.

Partager sur: