Potika ny lohany sady trobaka ny kibony, hita faty tao amin’ny kariera iray ao Ambatofinandrahana ny lehilahy iray, ny talata lasa teo. Nifanenjehana ireo namono azy.
Nolerana zava-maranitra teo amin’ny valahany sy notontaina vato teo amin’ny lohany, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ny lehilahy iray tao amin’ny kariera iray ao Andratsilahy, fokontany Ambalamahatsara, kaominina ambanivohitra Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny talata 03 desambra teo. Tsy nifankahazo tamin’ireo namany, raikitra ny sakoroka ka nisy ireo nitora-bato sy nandoaka ny kibony tamin’ny zava-maranitra. Poa toa izay, nirifatra nandositra ireo nahavanon-doza, taorian’ny vono nataony. Niezaka nanenjika ireto farany ny fokonolona saingy tsy nisy hita ny nalehan’izy ireo. Tetsy ankilany, nidina nanao fizahana ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy maty ity ny eo anivon’ny zandary sy ny mpitsabo ao an-toerana. Efa misy fantatra kosa ny anaran’ireo nahavanon-doza. Namory ny fokonolona ao an-tanàna niaraka tamin’ny sefom-pokontany ny mpitandro filaminana hahafahan’izy ireo manamafy ny tagnamaron’ny fandriampahalemana.
Tsiferana R.