Tsy mitsaha-mitombo ny olona tsy an’asa, manjaka ny tsy fandriampahalemana ao Toliara. Ho an’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, isan’ny vahaolana tsara indrindra amin’ireo ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara, hamorona asa sady hitondra fampandrosoana ho an’ny ao an-tanàn’i Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana.
Miray feo ireo tompon’andraiki-panjakana. Mirona miakatra ao an-tanàn-dehiben’i Toliara ny mpifindra-monina, mitsoaka ny hain-tany sy ny kere any aminy. Vao maika nampihemotra ny fandrosoana ao an-tampon-tanànan’i Toliara, ny fiantraikan’ny valan’aretina Covid-19 sy ny hain-tany mafy. Nitsotra ny ben’ny Tanàna Toliara I, Dédé Vita Sidison, fa « tranga izay vao maika sarotra fehezina. Nampitombo isa ny tsy manan-kialofana izy ireo, sady manampy isa ny tsy an’asa eto an-toerana ».
Nambarany fa tsy safidin’izy ireo ny tsy te hiasa, fa ny asa mihitsy no tsy misy. Mitovy amin’izany ihany koa ireo tanora vao nahavita fianarana, manana diplaoma. Maro ireo lasa nirona any amin’ny varotra madinika, nefa efa tototra ny tsena satria maro loatra. Tafahoatra ny isan’ny mpitarika posy bisikileta.
Mamaha ny tsy fisian’asa
Nohitsian’i Dédé Vita Sidison, fa isan’ny olona voalohany nitaky ny hanokafana indray ny Base Toliara ny tenany. Hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ity tetikasa ity, sady mamaha ny olan’ny tsy fisian’asa any Toliara. Nomarihiny fa mila tsinjovina ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa. « Zava-dehibe amiko ny fampandrosoana ny tanàna, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, ny famahana ny olan’ny tsy fisian’asa. Tsy hitako mihitsy ny antony hanakanana ny fiharian’ny orinasa mamaly ireo notanisaiko ireo », hoy ihany izy.
Efa hatramin’ny taona 2020, vao lany ben’ny Tanàna izy no nitaky hanokafana ity orinasa ity. Nampidiriny tao anaty Drafi-panajariana ny tanàn-dehibe (PUDi) an’ny kaominina Toliara I izany, toy ny fananganana ny seranan-tsambo, hamoahan’ny Base Toliara ny vokatra. « Raha ny hevitro manokana, sokafako izao dia izao ihany ity orinasa ity, saingy an’ny fanjakana moa ny fanapahan-kevitra rehetra ». Manainga ny mpanapa-kevitra anefa izy hijery haingana ity tranga ity.
Sehatra mamokatra
Ankoatra izany, mankasitraka ny fanohanan’ny fanjakana ny kaominina Toliara I, amin’ny fananganana fotodrafitrasa maro. Toy ny lalana, ny sekoly « manara-penitra », ny toera-pitsaboana CSB II. Aminy, tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny sehatra mamokatra amin’izay ny fanjakana amin’ity taona 2023 ity. Isan’izany ny fambolena sy ny fiompiana entina iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Andrefana. Mila hatsaraina sy havaozina ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa amin’ny fambolena, toy ny fananganana tohodrano, ny fizarana fitaovam-pamokarana, ny masomboly sahaza ny toetr’andro any an-toerana. Vonona hatrany hiara-kiasa amin’ny fanjakana ny kaominina amin’izany.
Efa miezaka amin’ny fanatsarana ny rano fisotro madio ny kaominina Toliara I. Miisa valo ny paompin-drano napetraka isam-pokontany. Hiditra amin’ny fametrahana ny jiro « cobra », hanazava ny arabe sy ny lalan-kely indray izy ireo amin’ity taona 2023 ity. Maro koa ny toeram-pivoahana sy fidiovana ho an’ny daholobe hatsangana. Eo koa ny hamahana ny olana amin’ireo tsy manan-kialofana matory eny amoron-dalana.
Njaka Andriantefiarinesy