Taona 2022 : nihena 1 tapitrisa ny trangan’aretina tazomoka

Nanodidina ny 2.400.000 ireo trangan’aretina tazomoka hita ny taona 2021. Ni­hena hatramin’ny 1.400.000 teo ho eo izany ny taona 2022. Io no tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka mikasika ny aretina tazomoka, omaly.
Maro ny ezaka natao nahazoana ny vokatra. Tao ny fizarana lay misy odimoka maharitra (Mid) tamin’ireo distrika 101 manerana ny faritra 21 izay mbola tena ahitana ny aretina tazomoka.
Teo koa ny famendrahana ranom-panafody mamono mo­ka isan-tokantrano (CAID) tany amin’ireo distrika 5 any atsimon’i Madagasikara. An­i­san’izany Iakora, Ihosy, Ivohobe, Isandra ary Fara­dofay. Nanampy ireo ny fi­zarana fanafody faobe fiarovana ny vehivavy bevohoka amin’ny Tazomoka (TPI), hahatomombana ny fitondrana vohoka.
Mitohy ny fanamafisana ny ezaka, indrindra ny fanaraha-maso akaiky ny tranga eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fitiliana (TDR), ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana avy ha­trany ireo olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina, raha ny tatitry ny minisitera .
Teo indrindra koa ny ezaka nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny CSB sy ireo mpanentana ara-pahasalamana tamin’ny fa­nentanana mikasika ny hetsika fidiovana sy fanadiovana.

Tatiana A

Partager sur: