CUA: hofaizina ireo tratra manaparitaka fako

Hentitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanaraha-maso ireo minia manaparitaka fako ivelan’ny dabam-pako sy ny manary fako ankoatra ny fotoana efa napetraka. Han­dray fepetra avy hatrany ny kaominina raha mahatratra olona mandika ireo.
Maneho faniratsirana sy fanambaniana ireo mpaka fako sy mpamafa lalana ireny olona ireny ka tsy ekena. Tokony hifanaja ny rehetra satria samy mikendry ny fahadiovan’ny tanàna daholo, hoy ny kaominina.
400 ny mpamafa lalana ary 700 ny mpiasan’ny SMA manala fako amin’ireo da­bam-pako manerana an’Anta­nanarivo. Andro aman’alina izy ireo no miasa ary mandraoka ny fakon’ny mpo­nin’Antananarivo.
Efa fanetren-tena lehibe no ananan’izy ireny amin’ny asa sahaniny ka mendrika ny fanajana amin’ny alalan’ny fanarahana ny rindran-damina amin’ny fotoana hanariana fako sy ny fanaovana ny fako anaty daba fa tsy aparitaka.
Manala sy mitatitra fako 900 taonina isan’andro izy ireo, izay fako avy any amin’ny tokantrano rehetra manerana an’Iarivo.
Nahatsikaritra ireo mpaka fako ireo fa aorian’ny fandalovany dia misy manao fanahy iniana manary ny fako ivelan’ny daba izay tsy feno akory anefa. Amin’ny 1 ora maraina madio ny daba. Feno amin’ny ampahefany sahady kosa anefa izany amin’ny 10 ora ary miparitaka ety ivelany. Tsy azo ekena intsony.

Tatiana A

Partager sur: