Famonoana mpamily fiarabe: olona telo voasambotra, iray hafa atao hazalambo

Tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena ireo olona miisa telo voatondro ho tompon’antoka namono ilay mpamily fiarabe sy ny mpanampy azy teny Ambohimangakely, iray volana lasa izay. Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha, mbola karohina fatratra kosa ny olona iray hafa niray tendro tamin’ity vono olona ity.
“Nitondra menaka avy any Toamasina io fiarabe io ka nisy nanakana teo Man­draka. Namany ihany ireo nanakana azy . Nony teny an-dalana, nomen’ireo sakaiza manody ranom-boakazo misy poizina ireo mpamily. Avy eo, novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana rehefa tetsy Ambohimangakely Ambodi­voara”, hoy ny zandarimaria. Saika haka an’ireo menaka noentin’ilay kamiao ireto jiolahy saingy tsy voasokany izany, noho izy nisy kaody manokana. Tsiahivina fa nifatotra tongotra aman-tanana ireo namoy ny ainy tamin’ny asabotsy 17 desambra lasa teo. Fotoana nahitana ireo vata-mangatsiaka tsy lavitry ny tobin-tsolika iray teny Ambohimangakely. Tsy nisy voakitika kosa ireo entana tao anatin’ny fiarabe. Ireo nahavanon-doza kosa nitsoaka taorian’ny asa ratsiny ka izao voasambotra izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: