Voasambotra ny mpisoloky efatra mianadahy. Mizaka ny zom-pirenena maorisiana sy marokanina, ary malagasy izy ireo, izay nilaza ho mandefa mpiasa sy mpianatra any Canada.
Voasambotry ny zandary ny teratany maorisiana, maraokanina ary malagasy roa, omaly. Heloka anenjehana azy ireo ny fisolokiana fandefasana mpiasa any Canada. Nahazo fitarainana tamin’ny olona miisa 35 ny zandary eny Fiadanana tamin’iny herinandro iny mikasika io tranga io. Nidina nanao fikarohana avy hatrany izy ireo taorian’izay ka nahafahana nisambotra ireo mpisoloky. Endrika fisolokiana tanaty tambajotran-tserasera ny raharaha, hoy ireo voasoloky nanaovana fanadihadiana. “Milaza manana tolotr’asa sy fianarana any Canada io ramatoa mpisoloky io. Nasainy nokarakaraina ny antontan-taratasy rehetra ary naloa ny vola mahatratra 600.000 Ariary.”, hoy ireo voasoloky. “Notadiavina ilay ramatoa taorian’ny fandoavana ny vola rehetra nefa tsy tao an-trano intsony”, hoy ny fanazavana hatrany. Marihina fa efa mpisoloky tany Turquie, Afrika Atsimo, Algerie izy ireo, hoy ny zandary. “Entanina ny olona rehefa mahita asa mankany ivelany mba hanatona ny minisitera tompon’andraikitra avy hatrany hanontany ny fepetra arahina”, hoy ny zandary. Niakatra fitsarana teny Anosy, omaly hariva, ny raharaha.
Mino ( Mpianatra asa)